2 Corinthians 7

1Ireo malalako, hatramin’ny nananantsika ireo teny fikasana dia aoka isika hanadio ny tenantsika amin’ny zava-drehetra izay mahatonga fahalotoana eo amin’ny vatana sy fanahintsika. Aoka isika hikatsaka ny fahamasinana amin’ny fatahorana an’Andriamanitra.

2Raiso izahay! Fa tsy nanao ratsy tamin’iza na iza. Tsy nandratra na nanararaotra na iza na iza izahay. 3Tsy hanameloka anareo no hitenenako izao. Fa efa nolazaiko fa ato amponay ianareo, fa miara-maty ary miara-velona isika. 4Manana fahatokisana lehibe anareo aho, ary mirehareha nohon’ny aminareo. Feno fampiononana aho. Mitobatobaka ny hafaliako na dia eo aza ny fampahoriana rehetra.

5Rehefa tonga tany Makedonia izahay, tsy hanam-pitsaharana ny tenanay. Noho izany, ory tamin’ny fomba rehetra izahay nohon’ny fifandirana tany ivelany, sy ny tahotra tao anaty. 6Fa Andriamanitra, izay mpampahery ny kivy, nampahery anay tamin’ny fahatongavan’i Titosy. 7Tsy tamin’ny alalan’ny fahatongavany fotsiny no hampaherezan’Andriamanitra antsika. Fa tamin’ny fampaherezana izay noraisin’i Titosy avy aminareo. Miteny antsika izy ny amin’ny haben’ny fitiavanareo, ny alahelonareo, ary ny fiahianareo ahy lalina. Ka hifaly mandrakizay aho.

8Na dia nampalahelo anareo aza ny taratasiko, dia tsy nampanenina ahy izany. Fa nanenina tamin’izany aho rehefa nahita fa nampalahelo anareo ny taratasiko. Fa nalahelo nandritra ny fotoana fohy ianareo. 9Ankehitriny dia faly aho, tsy hoe satria ory ianareo, fa satria ny alahelonareo no nitondra anareo ho amin’ny fibebahana. Ianareo dia niaina ny fahoriana ao amin’Andriamanitra, koa tsy nisy very ny nijalianareo ho anay. 10Ny fahoriana ao amin’Andriamanitra dia mitondra amin’ny fibebahana ny mba hahatanteraka ny famonjena tsy misy fanenenana. Na izany aza, ny alahelon’izao tontolo izao, dia mitondra fahafatesana.

11Jereo ny vokatrin’ny halehiben’ny fikirizanareo tamin’ny fahoriana ao amin’Andriamanitra. Lehibe tokoa ny halehiben’ny fikirizana tao aminareo mba hanaporofoana fa tsy manan-tsiny ianareo. Lehibe tokoa ny halehiben’ny fahatezeranareo, ny tahotrareo, ny alahelonareo, ny zotom-ponareo, ary ny fanirianareo ahita ny fahamarinana izay tokony atao! Amin’ny zava-drehetra dia nanaporofo tamin’ny tenanareo ianareo mba tsy ho meloka amin’izany raharaha izany. 12Na dia nanoratra taminareo aza Aho, Izaho dia tsy nanoratra ho an’ireo mpanao ratsy, na ho an’ny iray izay miharitra ny ratsy. Nanoratra aho mba tokony hampahafantarana ny fahazotoanareo teo aminay eo anatrehan’Andriamanitra.

13Tamin’ny alalan’izany no nampaherezana anay. Mihoatra nohon’ny fampaherezana izay efa anananay, nihoa-papana ny fifaliany nohon’ny fifalian’iTitosy, satria ny fanahiny dia velombelona noho ny aminareo rehetra. 14Raha toa ka nirehareha taminy ny momba anareo aho, dia tsy mba afa-baraka aho. Mifanohitra amin’izany, ireo zavatra rehetra izay noteneninay taminareo dia marina avokoa, ny fireharehanay momba anareo tamin’i Titosy dia voaporofo fa marina.

15Ny fitiavany anareo dia lehibe kokoa, tahakan’ny nahatsiarovany ny fankatoavanareo rehetra, Endrey ny fandraisanareo azy tamin’ny tahotra sy hovitra. Faly aho satria manana fahatokiana tanteraka taminareo.

16

Copyright information for PltULB